2
RATSIMANDRESISOARAINIBE GERMAIN JOSEPH L3 N 20 RENCONTRE AVEC L ANTHROPOLOGIE TATITRA DIA FIBEAZANA NY 8-18 JOLAY 2015 Anisan’ny fitaovana hahazoana manampy ny fahalalana rantovina amin’ireo dingam-pikarohana hatrehin’ny mpianatra ny dia fibeazana. Arak’izany dia tena zava-dehibe ny fanatrehana sy ny fanatanterahana azy. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-miasa. Io lafiny fiaraha-miasa io indrindra no hovelabelarina eto ka nahatong ny tompon’andraikitra hanontany hoe : « Manao ahoana ny fahitanao ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny ? Afa-po ve ? Inona no olana sedrain’ny mpianatra mpikaroka ? « Koa mba hahazoana mamaly izany fanontaniana ireo dia sehatr’asa maromaro no lalovana vao vita ny dia fibeazana izay natao tany Mahajanga. Teo amin’ny mpianatra samy mpianatra , teo amin’ny mpianatra sy mpampianatra ary farany teo amin’ny olona nohadihadiana tany an-toerana ; Raha ny lafiny fiaraha-miasa teo amain’ny mpianatra na taty na tany an-toerana dia azo lazaina fa tena vonona ny mpianatra . Vao naharay ny daty fotsiny dia nivory ary nandray ny fanapahan-kevitra ny amain’ny toerana haleha ; ny vola holaniana ; ny fitaovana ilaina . Avy hatrany dia nanolo-tena ny tsirairay. Nony tonga tany an-toerana dia tsy nisy fifandirana fa avy hatrany dia n itazona ireo zara andraikitra nolazainy avy ; nividy entana nahandro sakafo. Na ny maraina na ny atoandro na ny hariva eny fa hatramin’ny alina aza dia tsapa io fahavonoanana hiasa io Izay ny teo amin’ny mpianatra samy mpianatra fa hojerena indray kosa ny teo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra . Azo lazaina fa tena nanaome fahafahana tanteraka ny mpampianatra tompon’andraikitra . Nisy ihany ny lafiny tari-dàlana kanefa izany tsy nanafoana ny hevitra tapaky ny mpianatra. Tapaka fa any Mahajanga no nosafidian’ny mpianatra dia noeken’ny

RATSIMANDRESISOARAINIBE GERMAIN JOSEPH.docx

  • Upload
    epoptae

  • View
    216

  • Download
    0

Embed Size (px)

Citation preview

Page 1: RATSIMANDRESISOARAINIBE GERMAIN JOSEPH.docx

RATSIMANDRESISOARAINIBE GERMAIN JOSEPHL3 N 20RENCONTRE AVEC L ANTHROPOLOGIETATITRA DIA FIBEAZANA NY 8-18 JOLAY 2015

Anisan’ny fitaovana hahazoana manampy ny fahalalana rantovina amin’ireo dingam-pikarohana hatrehin’ny mpianatra ny dia fibeazana. Arak’izany dia tena zava-dehibe ny fanatrehana sy ny fanatanterahana azy. Tsy ho tanteraka anefa izany raha tsy misy ny fiaraha-miasa. Io lafiny fiaraha-miasa io indrindra no hovelabelarina eto ka nahatong ny tompon’andraikitra hanontany hoe : « Manao ahoana ny fahitanao ny fiaraha-miasa amin’ny ankapobeny ? Afa-po ve ? Inona no olana sedrain’ny mpianatra mpikaroka ? «  Koa mba hahazoana mamaly izany fanontaniana ireo dia sehatr’asa maromaro no lalovana vao vita ny dia fibeazana izay natao tany Mahajanga. Teo amin’ny mpianatra samy mpianatra , teo amin’ny mpianatra sy mpampianatra ary farany teo amin’ny olona nohadihadiana tany an-toerana ;

Raha ny lafiny fiaraha-miasa teo amain’ny mpianatra na taty na tany an-toerana dia azo lazaina fa tena vonona ny mpianatra . Vao naharay ny daty fotsiny dia nivory ary nandray ny fanapahan-kevitra ny amain’ny toerana haleha ; ny vola holaniana ; ny fitaovana ilaina . Avy hatrany dia nanolo-tena ny tsirairay. Nony tonga tany an-toerana dia tsy nisy fifandirana fa avy hatrany dia n itazona ireo zara andraikitra nolazainy avy ; nividy entana nahandro sakafo. Na ny maraina na ny atoandro na ny hariva eny fa hatramin’ny alina aza dia tsapa io fahavonoanana hiasa io 

Izay ny teo amin’ny mpianatra samy mpianatra fa hojerena indray kosa ny teo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra . Azo lazaina fa tena nanaome fahafahana tanteraka ny mpampianatra tompon’andraikitra . Nisy ihany ny lafiny tari-dàlana kanefa izany tsy nanafoana ny hevitra tapaky ny mpianatra. Tapaka fa any Mahajanga no nosafidian’ny mpianatra dia noeken’ny mpampianatra izany. Tsy nisy nolaviny ny hevitra tapaka afa-tsy izay hita fa hiteraka loza angaha dia ny fandehanana nakany katsepy ohatra.Fanampin’izany dia navelany hilaza ny heviny sy ny hetahetany ny mpianatra tsirairay na ny isan-tarika. Niara nijery ny lafiny tsy mahamety na ny fizotry ny asa isaky ny hariva mialohvanny hatoriana . Ifampierana anefa izany rehetra izany. Tsy nisy ny hoe tsy maintsy izao na tsy maintsy izatsy no atao. Rehefa voalaza izay fiaraha-miasa amin’ny mpianatra sy ny mpanabe izay dia man ao ahaoana indray kosa ny eo amin’ny olona izaya nanatanterahana ny fanadihadiana tany Mahajanga

Nahatsiaro ho finaritra ny silamo izay nanaovana ny fanadihadiana. Hita izany tamin’ireo zavatra tsy dia nanontaniana aza, nefa dia voalazany ary nisy aza ny nilaza hoe ‘miverena raha misy tsy tsy mbola mila fanampiana . Nahitanay aliny avokoa izay nohadihadiana tamin’izy ireo NY olana dia ny tsy fahitana antotan’iza tany an-toerana raikitra fa dia amin’ny ankapob eny fotsiny ny hoe : ny olonja variana amin’ny asa nefa ny tena manadihady

Page 2: RATSIMANDRESISOARAINIBE GERMAIN JOSEPH.docx

dia somary manelingelina kely azy izany . Niteraka fitarazohana teo amin’ny lafiny asa izany Tsy betsaka anefa izany fa azo leferina ihany.

Raha fitinina izay rehetra voalaza dia nahatsapa ny tena teo amin’ny samy mpianatra na treo amin’ny mpianatra samy mpampianatra na teo amin’ireo olona nohadihadiana fa dia n ilamina sy afa-po tanteraka sady nahita tany sy rivotra madio no nahazo fahalalana sy fanabeazana maro. Tsy tamin’ny asan’ny tena ihany fa na dia ny asan’ny tarika hafa aza dia tena nampitombo ny zavatra efa fantatra.